Omaly talata, tamin’ny 8 ora sy sasany, natao ny fandravana tranoeva iray voalaza fa naorina tsy nahazoana alalana tamin’ny kaomina Antananarivo.. Ilay « kiosque » dia naorina tamin’ny toerana « publiphone » manoloana ny EPP Behoririka. Mifanaraka amin’ny ny didim-pitondrana monisipaly laharana 669 nivoaka ny 4 aogositra 2015 mikasika ny « assainissement » sy ny fandaminana ny tsena no nanesorana izany. Ny vaovao no nahalalana fa tamin’ny misasakalin’ny faha-14 martsa dia nahare zavatra nidoboka be ny teny amin’ny manodidina. Nahita ilay tranoeva ny rehetra ka nampandre ny talen’ny sekoly eo an-toerana. Ity farany indray no nilaza tany amin’ny mpitandro filaminana. Avy hatrany, raha vao nahafantatra ny vaovao ny teo anivoan’ny kaominina, dia nandray fepetra ary nandeha maraina teny Behoririka. Rehefa nanontanian’ny tompon’andrikitra ny tompon’ilay “kiosque” dia nilaza ho tsy manana taratasy fahazoan-dalana ka nanaiky ny hanala an’ilay « kiosque ». Nanamafy ny tsy fisian’ilay fahazoan-dalana ihany koa ny filoham-pokontany izay tonga teny an-toerana.
Articles qui pourraient vous intéresser