Niteraka resa-be tetsy sy teroa, teto Antsirabe hatramin’ny omaly ilay resaka fiadiana zaza ifandroritan’ny teratany Malagasy sy karàna eto Antsirabe. Hatramin’ny omaly hariva moa, dia feno olona tokoa teny amin’ny fitsarana, niandry izay mety ho fizotran’ny raharaha, saingy tsy nisy azo nambara tamin’izany. Mbola mitohy hatramin’izao ny fanadihadiana raha ny fantatra, mba hanaporofoan’ ireo mitonona ho ray aman-dreniny fa azy tokoa ilay zaza. Araka ny fantatra hatrany, tsy ady heloka akory no ifanaovan’ny roa tonta fa ady madio. Raha ny angom-baovao dia ara- dalàna tanteraka ny fahazoan-dalana nahafahan’ireo teratany karàna nanangana ilay zaza ary azy ireo ihany koa ilay toerana fitaizana zaza sahirana nahazoana io zaza io. Andrasan’ny mpanara-baovao noho izany ny mety ho tohin’ny tantara.
Andry N.