- Publicité -
dimanche, juillet 20, 2025
AccueilFaits-DiversAmboangibe Bemarivo : Tovovavy iray nandevim-belona ny zanany vao roa volana monja

Amboangibe Bemarivo : Tovovavy iray nandevim-belona ny zanany vao roa volana monja

Noho ny fandaozan’ny vadiny azy. Renim-pianakaviana iray mbola tanora no nandevim-belona ny zanany naterany vao roa volana monja, ny alatsinainy teo, tany Amboangibe, Kaominina ambanivohitry Bemarivo Faritra Sava. Araka ny vaovao voaray, dia nentiny tany an-tanimboly lavitra ny tanàna ity zaza tsy manan-tsiny. Nihady lavaka sahabo ho iray metatra izy ka napetrany tao ny zanany sady notsindriany vatobe teo amin’ny tratrany, avy eo nototofany tany tao ka maty sempotra ilay zaza. Niverina tany an-tanànany ity tovovavy ity ka gaga ny rahavaviny tsy nahita an’ ilay zaza. Nilaza anefa ity reny namono ny zanany fa nalain-drainy ilay zaza. Tsy naharesy lahatra ny rahavaviny ny valim-panontaniany ka nametraka fitarainana teny amin’ny mpitandro filaminana ity farany. Rehefa nofotorana lalina ilay vehivavy, dia nivaky ny marina ihany ary nanoro ny toerana nandevenany an-janany. Nilaza moa ity ramatoa ity, fa tsy velony intsony ny zanany, ka naleony novonoina nalevim-belona. Tazomina ao amin’ny borigadin’ny zandary Amboangibe ity reny namono ny zanany ity, miandry ny fanolorana azy amin’ny fitsarana, raha karohina kosa ny rain’ilay zaza, hoy ny vaovao.

 

Eric Manitrisa

 

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici