- Publicité -
samedi, juillet 19, 2025
AccueilFaits-DiversIlanivato : Roalahy mpanendaka amin’ny fitohanan’ny fifamoivoizana, voasambotra

Ilanivato : Roalahy mpanendaka amin’ny fitohanan’ny fifamoivoizana, voasambotra

Mpanao sinto-mahery sady mpanendaka roalahy, no tratran’ny polisy avy ao Ilanivato, ny alatsinainy lasa teo. Efa ela nanaovana io asa ratsy io ry zalahy ireto, araka ny filazany. Nofandrihana ka tamin’ny fitohanan’ny lalana ny hariva tamin’ny io anrdo io tokony ho tamin’ny 7 ora no tratra ry zalahy. Ny iray 17 taona ary ny faharoa kosa 22 taona. Iry voalohany dia fantatra fa efa nigadra noho ny asa fanendahana ihany. Efa maro ny olona nitondra faisana rehefa hariva. Tamin’ny 29 febroary, mpivady nitaingina moto handeha hody no sendra azy ireo. Telolahy ry zalahy no tena mpiaraka. Nosintonin’izy ireo ny paoketra nisy vola 600 000 ariary sy finday roa. Nametraka fitoriana teny amin’ny polisy Ilanivato ireo olona ireo ary nilaza fa tadidiny tsara ireo mpisam. Nandeha avy hatrany ny fikarohana ary natao ny fandrika, ka dia izao tratra tamin’ny alatsinainy izao ny roalahy. Tamin’ny fotoana nisamborana azy, tsy nandeha ilay namany fahatelo. Omaly no natolotra ny Fampanoavana izy ireo.

r.s.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici