- Publicité -
lundi, mai 12, 2025
AccueilFaits-DiversToliara : Olona telo maty tsy tra-drano, efatra hafa naratra mafy

Toliara : Olona telo maty tsy tra-drano, efatra hafa naratra mafy

Mpitaingina sarety telo mirahalahy avy any Benetse saika handeha hivarotra kisoa vao maraimbe ao Toliara no maty tsy tra-drano nohitsahin’ny kamiao mpitatitra fasika an’ny orinasa sinoa misahana ny fanamboarana ny lalam-pirenena fahasivy, omaly naraina tokony ho tamin’ny roa ora, tao an-tanànan’i Tsivonoe, Fokontany Ifaty, Kaominina Belalanda, Distrikan’i Toliara II. Araka ny fanazavana voaray dia nandeha mafy sy nivilavila fandeha ity fiarabe mpitatitra fasika ity ary nanitsy sy nitrongy avy hatrany an’ilay sarety tery an-kavanan-dalana. Raha araka ny fitantaran’ireo niharam-boina efatra tsy maty fo aman’aina dia ilay mpamily mpanampy no nitondra ny fiara sady mamo tamin’io fotoana io. Nanaporofo izany ny nahitana tavoahangy misy toaka tao anatin’ilay kamiao, hoy ny loharanom-baovao akaiky ny mpitandro filaminana. Omaly ihany dia nandray andraikitra ny orinasa sinoa tompon’ny fiarabe namono olona niantoka ny fandefasana ireo razana an-tanindrazany.

Eric Manitrisa

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici