- Publicité -
mercredi, mai 14, 2025
AccueilFaits-DiversIvato : Vao nivoaka an’Antanimora dia nivarotra rongony

Ivato : Vao nivoaka an’Antanimora dia nivarotra rongony

Miparitaka ny rongony eny Ivato-Tsena, ary nisy ny voasambotra rehefa nanao hetsika ny polisy misahana ny andraikitra amin’ny ady amin’ny fiparitahan’ny zava-mahadomelina. Lehilahy iray 32 taona no sarona teo am-pivarotana rongony ary amin’ny andro antoandro. Tratra teny aminy ny rongony 27 fonosana ary rehefa nandeha ny fanadihadiana azy dia nohazavainy fa 300ar no ividianany ny iray fonosana ary hangalany tombony 200 ariary isaky ny fonosana avy eo. Efa nisazy momba izany izy ary mbola niverina nanao ny asany ihany rehefa tafavoaka. Midika izany fa tsy ahoan’ny olon-dratsy mihitsy ny fitazomana am-ponja azy ireo. Momba ity lehilahy ity, ohatra, dia vao ny volana febroary lasa teo izy no nivoaka ny fonja dia izao efa tratra izao indray ka hiverina hidoboka eny Antanimora indray. Fonosan-drongony miisa 35 mahery isan’andro no lafony. Nitohy ihany ny hetsika nataon’ny polisy ary nihazo an’Ambatolampy Tsimahafotsy indray. Teo indray dia mbola nisy lehilahy iray hafa voasambotra ihany koa noho ny fivarotana rongony. Sarona niaraka tamin’ny fonosana miisa 28 io farany. Samy natolotra ny fampanoavana omaly izy roa ireo.

D.R

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici