Tototry ny tany no nahafaty azy. Omaly tokony ho tamin’ny roa ora sy sasany no nitrangan’izany tao anatin’ny Parc Isalo, raha araka ny vaovao azo avy any an-toerana. Hatramin’ny ora nanoratana omaly dia mbola tsy hita ny razana. Manazava avy hatrany izany zava-nitranga izany fa misy manao fitrandrahana tsy ara-dalàna ao anatin’io faritra arovana io. Zava-nisy ihany izany saingy miverina indray, ary tsy ara-dalàna tanteraka, kanefa dia misy mpitandro ny filaminana miandry andro sy alina.
D.R