Olona miisa hatrany amin’ny 14 no indray voasambotry ny zandary avy eny Ambohimangakely tamin’ny faha-12 martsa lasa teo. Rava araka izany ny tambajotrana mpanendaka sy mpamky trano eny amin’ny faritra maromaro manodidina. Tamin’io andro voalaza io, nahazo vaovao ny mpitandro filaminana fa misotro toaka amina toerana iray eny Ambohimahitsy ny lehilahy antsoina hoe Bota. Niampy ny vaovao fa nisy volabe tany aminy tamin’io fotoana io. Tsy niandry ny zandary fa nidina teny amin’ilay toerana teo no ho eo. Tonga dia natao ny fisamborana. Nofotorana ny anao lahy ka be dia be ny zavatra nolazainy. Nandritra ny fanadihadiana dia niaiky izy ary nanoro ireo namany. Izy ireo no nanao ireo fanafihana mitam-piadiana teny amin’ny faritra Ambohimangakely sy ny manodidina, dia Tsarahonenana, Ampasampito, Ambohimirary, Ampanotokana, Ankadindramamy, Soamanandrariny, hatrany Ambohipo. Nanomboka ny volana novambra 2015 no tena nirongatra ny asan-jiolahy tamin’ireo faritra voatonona ireo. Valo ny isan’ireo jiolahy voasambotra. Ny sasany amin’izy ireo dia vao nivoaka ny fonja.
Nihorohoro tokoa ny iray tanàna tamin’ny asan-jiolahy niseho. Ankoatra ireo fanafihana tranon’olona sy toeram-pivarotana dia manendaka izay olona tratra alina ihany koa ireto olon-dratsy ireto. Tamin’ny fotoana nisamborana azy ireo dia nahatratrarana basy poleta iray vita avy any Italie miaraka amin’ny bala telo koa tamin’izy ireo. Amin’izao fotoana izao dia fantatra fa misy koa ireo namany hafa mbola karohina.
Tsy ireo jiolahy ihany no tratra tamin’ity indray mandeha ity fa natao koa ny fisamborana ireo mpandray entana halatra miisa enina izay vehivavy ny iray. Entana maro dia maro no azo tamin’izany, toy ny baffles, vilany, subwoofer, tv ecran plat, lecteur, amplificateur, sns…..
Omaly no natolotra ny Fampanoavana ireo olona marobe tratra ireo.
r.s.