Hatreto raha ny fiheveran’ny olona azy dia noho ny herinaratra niaka-nidina no niteraka ny firehetana. Raha ny fanazavana azo mantsy dia tapaka ny jiro talohan’izany ary rehefa niverina dia nisy fipoahana. Nanomboka teo no nirehitra ilay trano. Tokony ho tamin’ny enina ora hariva izany ary tsy nijanona raha tsy tamin’ny valo ora alina tany. Teny Ankaraobato no nitrangan’izany ary rehefa nohamarinina dia minisitry ny fiompiana teo aloha no tompon’ny trano. Tsy eto an-toerana izy ankehitriny ary tao anatin’izany indrisy no teraka ny loza tsy nampoizina. Teran-kovitra tanteraka ny mpiambina satria mbola nisy lasantsy sy gaz ihany koa tao an-trano. Niantso ny manodidina izy mba hanampy amin’ny famonoana ny afo. Tao ireo nanao tamin’ny fony ary tao ihany koa no tonga ary nangalatra fotsiny. Raha ny fanazavana azo dia ny andrin-jiro aloha no nirefotra ary niteraka firehetana teo amin’ny kaontera sy ny tohiny rehetra. Nirehitra ilay villa vokatr’izany ary adiny roa taty aoriana vao tena voafehy. Ny rihana ambony no tena kila forehitra fa mba avotra ihany ny ampahany tamin’ny tany ambany. Miteraka fahavoazana maro ny tsy fahatomombanana ara-teknika avy amin’ny Jirama. Ankoatra ny fahasimban’ny fitaovana mandeha amin’ny herinaratra, ny fahitalavitra no tena matetika potika, dia miteraka firehetan’ny trano toy izao ny fiakarana sy fidinan’ny herinaratra. Raha ny tena izy dia misy ny onitra tokony halohan’ny orinasa tompon’andraikitra rehefa voamarin’ny tompon’ny simba na ny may fa tena noho ny olana ara-teknika noho ny herinaratra tokoa no nitarika izany. Matetika anefa ny olona tapa-kevitra ny tsy hiditra amin’izany lalana izany, satria fantatra sahady fa hiaka-midina eny amin’ny fitsarana ary mety harirariran’ny orinasa ihany koa rehefa avy eo.
D.R