- Publicité -
mardi, juillet 22, 2025
AccueilFaits-DiversAmbatomainty : Talen-gazety nisy nanafika tao an-tranony

Ambatomainty : Talen-gazety nisy nanafika tao an-tranony

Tafiditra tao an-trano ireo olon-dratsy izay nitondra zava-maranitra toy ny sabatra sy fitaovana hafa famakiana trano. Ny alin’ny alakamisy teo, tokony ho tamin’ny 11 ora, no nigadona tao ireo olon-dratsy. Voapitsoka aloha ny varavarana voalohany ary mbola voavohan’ireo ihany koa ny « grille de protection » rehefa hadinon’ny tompon-trano teo ny fanalahidy. Tafiditra tao an-trano araka izany ireo olon-dratsy. Lasa ny vola mitentina an-tapitrisany sy ny kojakoja maro. Isan’izany ny firavaka rehetra tao an-trano sy izay azo nobataina. Tao amin’ny efitrano hafa ny tompon-trano ka rehefa hitan’ireo olon-dratsy tao dia norahonana hovonoina raha tsy manome ny vola rehetra. Rehefa vita izay dia lasa izy ireo, indrindra koa rehefa niteny ireo jiolahy sasany tany ivelany fa tokony handeha amin’izay.

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici