Zazavavy roa samy fito taona, izay samy zanaka mpampianatra, no maty natelin’ny reniranon’i Bemarivo, ny faramparan’ny herinandro teo, tany Ambatomenavava. Handeha haka voasary nanamorona ity renirano ity izy ireo tamin’io fotoana io, nefa talohan’ny hiverenana hody dia nandeha nandro aloha fa nafana be ny andro ka dia izao tra-doza izao. Araka ny vaovao voaray dia nampiasana ny sambo kely haingam-pandeha mihitsy nikarohana ny razana, ary tany amin’ny 10km miala ny toerana nitrangan’ny loza no hitan’ny Fokonolona niaraka nisalahy nikaroka ny razana iray.
Eric Manitrisa