- Publicité -
dimanche, juillet 27, 2025
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAndavamamba : Olona roa voaendaka, mpanendaka iray tratra

Andavamamba : Olona roa voaendaka, mpanendaka iray tratra

Tao anatin’ny alina iray, olona roa no indray voaendaka teny amin’iny faritra Ampefiloha sy Andavamamba iny, ny zoma lasa teo. Farany, nifanehatra tamin’ny polisy nanao fisafoana ireo olon-dratsy voalaza fa miisa telo ka voasambotra ny iray.

Tamin’io zoma alina io, tany amin’ny 8 ora tany ho any, lehilahy iray no voaendaka teny Ampefiloha. Tsy vitan’izany fa mbola niharan’ny herisetra ihany koa izy. Araka ny vaovao voaray, telo ireo jiolahy nanao ny asa ratsiny. Raha vao nahazo ny zavatra tany amin’ilay lehilahy ry zalahy ireto dia nihazo ny “rond point” akaikin’ny “Alliance française” eny Andavamamba. Vehivavy iray ihany koa no niharan’ny herisetra avy eo nalain’ireto bandy ireto avokoa ny zavatra tany aminy. Tamin’io fotoana raha handeha handositra ireo olon-dratsy no nifanehatra tamin’ny polisy avy ao amin’ny PPA Ampefiloha sy ny polisin’ny SAG nanao fisafoana. Raikitra ny fifanenjehana ka azo ny iray, tafatsoaka kosa ireo namany roa. Rehefa nohadihadiana sy nojerena ny momba an’ity voasambotra ity dia fantatra fa efa avy namita sazy tany amin’ny akany fanarenana ny zaza mania eny Anjanamasina. Voalazan’ny vaovao hatrany fa mbola kely izy io dia efa nanendaka teny Andavamamba sy Ampefiloha. Eny Manarintsoa Afovoany izy no mipetraka. Natolotra ny Fampanoavana omaly ity jiolahy ka nalefa vonjy maika eny Antanimora.

r.s.

- Publicité -
Suivez nous
414,384FansJ'aime
12,533SuiveursSuivre
1,820AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici