Na ao anatin’ny herinandro masina aza ny mpino kristiana amin’izao ankatoky ny fetin’ny paska izao dia hafa noho izany mihitsy ny nataon’ity tovolahy iray ity, izay tafiditra tao am-piangonana katolika Fo Masin’i Jesoa Tanambao V tokony tamin’ny 1ora maraina.
Raha nahatsikarika zavatra hafahafa ny pretra sy ireo relijiozy monina ao amin’ity fiangonana ity, dia niantso polisy avy hatrany, tsy lavitra azy ireo mantsy ny kaomisaria. Vao tonga anefa ireto polisy dia varavaram-piangonana efa nisokatra no hitan’izy ireo. Raha nataon’ireto polisy savahao ny tao am-piangonana, dia tovolahy iray teo am-panangonana ireo zava-maneno sy ny fanamafisam-peo no hitan’izy ireo. Tsy afa-nihetsika ity tovolahy ity noho izy tratra ambodiomby, ary tsy afa-nanda ny zavatra nataony intsony, izay niakatra fitsarana omaly tolakandro, izay namoahan’ny mpitsara mpanao famotorana fiandrasana am-ponja vonjimaika ao Ambalatavoahangy alohan’ny hitsarana ny raharaha.
Malala Didier