Mirongatra ny aretina tazomoka mahery amin’izao any amin’ny Kaominina ambanivohitr’i Besely, Distrikan’i Betioky Atsimo, Faritra Atsimo Andrefana. Fanina ary tsy mahatsiaro tena tampoka izay tratrany, avy hatrany dia miafara amin’ny fahafatesana, ka ny zaza madinika no tena lasibatr’ity aretina ity. Ankizy an-jatony mahery no efa matin’ity tazomoka mahery ity, raha ny filazan’ny ben’ny tanàna voafidy any an-toerana Ravelosata André. Mampitombo haingana ny mamoy ny ainy ihany koa, hoy ireo mponina, ny fahalaviran’ny tobim-pahasalamana, izay 30 km ny akaiky indrindra, ka misy amin’ ireo marary entina hamonjy hopitaly no maty eny an-dalana. Amin’izao telovolana fahatelo izao, dia efa iray volana no tsy nisy ankizy nianatra intsony any amin’ny kaominina Besely noho ny fahapotehan’ny sekoly vokatry andro ratsy ny fiandohan’ity taona ity. Olana zakain’ny mponina etsy andaniny ihany koa ny firongatry ny andiam-balala mamotika ireo voly sisa tsy ripaky ny hain-tany. Hany sakafo hitan’ny mponina ankehitriny sy fidiram-bolan’izy ireo dia ny mihaza an’ ireo valala amin’ny lay misy odimoka nozarain’ny fanjakana ireny. “Kere ty ndaty”, hoy ny ben’ny tanàna.
Eric Manitrisa
Betioky Atsimo : Ankizy maro matin’ny tazomoka mahery
Articles qui pourraient vous intéresser