Raikitra hatramin’ny fifamaliana izay niafara tamin’ny fifampikasihan-tànana. Ny antony dia nisy olona nividy simenitra, ary teo amin’ny fifanarahana tamin’ny mpivarotra dia aterina any aminy izany. Ny olana anefa dia olon-kafa indray no tonga teo amin’ny fotoana ary io no naka ny entana. Dia tena ohatra ireny olona tena mpibata sy tompony ireny izy ireo nandritra ny famoahana ny simenitra tao anatin’ny kamiao nanatitra izany. Efa vita ny fanaterana vao tonga ny tena tompony izay gaga raha nilazàna fa efa vita ny fanaterana ny simenitra. Niakatra ny feo teo ary nisy ny fifampikasihan-tànana, raha araka ny vaovao azo. Nisy ihany ny fifampiresahana rehefa samy afaka ny fon’ny roa tonta. Azo lazaina manoloana ny tranga toa izao fa mivoatra hatrany koa ny fanaon’ny mpangalatra. Raha hibata simenitra an-taoniny izany dia mila fotoana sy olona hanatontosa an’izany. Dikany, tamin’ity tranga ity dia efa tena niomana ireo olon-dratsy ary nanam-potoana izy nitaterana ny entana. Izany rehetra izany anefa dia amin’ny andro antoandrobe nanahary no nitranga. Mivoatra hatrany ny fisehoan’ny halatra eto an-drenivohitra.
D.R