- Publicité -
dimanche, juillet 27, 2025
- Publicité -
AccueilFaits-DiversIvato : Srilankais efatra niravaka volamena nosamborin’ny ladoany

Ivato : Srilankais efatra niravaka volamena nosamborin’ny ladoany

Fitondràna peratra, vangovango, rojo fiambozonana izay nitotaly iray kilao kanefa tsy nisy taratasy fampilazàna ny ladoany mahakasika ny fanondrànana izany no tena antony nisamborana ny teratany srilankais efatra izay saika handeha tamin’ny Kenya Airways ny tolakandron’ny alakamisy lasa teo. Teo amin’ny fisavàna mahazatra nataon’ireo mpiasa eo amin’ny fadintseranana no nahitàna an’izany. Tsy niafina rahateo ireo firavaka fa samy niambozonana ary teo amin’ny 250 girama isan’olona teo izany, raha araka ny fampitam-baovaon’ny ladoany. Io loharanom-baovao io ihany no nanazava fa tsy nisy fitomboka ary koa mbola tsy voatefy ho firavaka tanteraka ireo volamena ireo. Izany dia voararan’ny lalànan’ny fadintseranana sy ny fifanakalozana ara-barotra, satria ny volamena dia isan’ny fitaovana ampiasaina amin’izany fifanakalozana. Nosokafana ny fanadihadiana momba ireo teratany vahiny ary ny fampanarahan-dalàna sy fanaovana ny antontan-taratasy mifandraika amin’izany, araka ireo voalaza etsy ambony. Ankoatra izay mety ho lamandy no ho fizotran’ity raharaha ity.

D.R

- Publicité -
Suivez nous
414,384FansJ'aime
12,533SuiveursSuivre
1,820AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici