Omaly talata no nosamborin’ny polisy vao marainabe tamin’ny 5 ora, tao an-tranon-dray aman-dreniny, teny Ambolonkandrina ilay lehilahy voalaza fa nangarona sy nandoatra ny masaon-janany vavy. Ny alin’ny alakamisy hifoha zoma, tamin’ny herinandro lasa teo, no niseho ity herisetra ity. Rehefa nofotorana ny anao lahy dia voalazan’ny tatitra avy amin’ny polisy nanao ny fanadihadiana fa niaiky ny zavatra nataony. Rehefa hitany, hoy ihany ny vaovao, fa nivoaka ny voamasony havanana dia nokendainy ily zanany fa tsy nety maty. Taorian’izany, nilaza ity lehilahy ity fa tsy sitrapony no nanao io fihetsika io fa nisy hery hafa niditra tao aminy ary naniraka azy hamono ilay zanany.
Raha tsiahivina ny zavatra niseho ny alin’ny alakamisy io, araka ny fitantaran’ny vadin’ilay lehilahy, dia sahala amin’izao. Miaraka matory izy mivady sy ny zanany mianadahy ka ilay vavikely no eo akaikin’ny rainy. Tsy dia nahita tory ilay rangahy fa nivoaka sy niditra ny trano matetika. Nony handeha hatory anefa izy dia novonoiny ny jiro na dia tsy fanaon’izy ireo aza ny maty jiro amin’ny alina. Ny maraina tokony ho tamin’ny 3 ora dia taitra ilay ramatoa naheno an-janany vavy nitomany sy nikiakiaka. Nifoha ilay ramatoa sady nandrehitra jiro ka ilay rangahy efa eo ambonin’ilay zanany mandoatra ny masony no hitany. Efa nipotsaka niala ny masony havanana ary nihosin-drà ny akanjony sy ny fandriana. Nosintoniny ilay zaza fa tsy nomeny fa ilay ramatoa fotsiny no nivandravandrany. Nitsoaka avy hatrany ilay ramatoa sy ny zanany roa sady niantso vonjy tamin’ny manodidina. Vory maro be ny fokonolona ary nentina tany amin’ny hopitaly ilay zazavavikely.
Omaly talata no natolotra ny Fampanoavana ity lehilahy ity.
Nangonin’i r.s.