- Publicité -
dimanche, juillet 27, 2025
- Publicité -
AccueilFaits-DiversIvato : Lehilahy novonoina sy natsipy tao an-tanimbary

Ivato : Lehilahy novonoina sy natsipy tao an-tanimbary

Vatana efa simba sy mamofona no hitan’ny fokonolona teny Ambodirano, Ankadindravola, omaly maraina, lehilahy tokony ho 60 taona any ho any. Ny fizahana nataon’ny tompon’andraikitra no nahafantarana fa maty novonoina ity rangahy ity, satria nahitana ratra teo amin’ny lohany, antony nitarika ny fahatesany, raha ny vinavinan’ireo mpitsabo. Natsipy tao amin’ity tanimbary izy nony avy eo. Tokony ho efa ho roa andro tany ho any no nahafatesany, raha ny fantatra hatrany. Hatairana tsy misy toy izany ny an’ireo mponina teny an-toerana, raha nahita ity toa vatan’olona nitsinkafona teny an-tanimbary. Nampandrenesina avy hatrany ny tompon’andraikitra isan-tsokajiny. Ireto farany no nampiakatra ny razana tety an-tanety. Efa manomboka miha-mihintsana ny nofony. Na izany aza mbola fantatr’ireo mponina tsara ny endriny. Raha ny filazan’izy ireo dia mponina eny amin’ny manodidina ihany ity rangahy hita faty ity. Efa ho roa andro kosa izay no tsy nodian’izy io an-trano, araka ny nambaran’ireo havany tamin’ny mpitandro filaminana izao, ary dia io izy hita faty teny an-tanimbary io. Tsotra ny fanazavàn’ireo mpitandro filaminana : novonoina ity rangahy ity. Nahitana diana mangana mantsy teny amin’ny vatany, toy ireny hoe nodarohana ireny. Nisy ratra, toa diana zava-maranitra kosa teo amin’ny tampon-dohany sy teo amin’ny handriny. Tsy nahitana n’inona intsony ihany koa teny aminy. Lonilony sa fanendahana miharo vono olona ? Mbola tsy fantatra hatreto ny anton’izao famonoana feno habibiana izao. Efa mandeha kosa etsy andanin’izay ny fanadihadiana ataon’ireo mpitandro filaminana, entina hikarohana ny marina sy ireo nahavanon-doza tamin’ity raharaha ity. Natolotra ny fianakaviana avy moa ny razana taorian’ny fizahana.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
414,384FansJ'aime
12,533SuiveursSuivre
1,820AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici