Toa lasa mampatahotra ny rehetra ankehitriny ny fisian’ireo mpanendaka amin’ireo toerana maizimaizina eto an-tampon-tananan’Ambatondrazaka. Ahenoana trangana fanendahana foana ny alina indrindra amin’ireo toerana maizimaizina. Anisan’ny lasibatra matetika ireo olona vao tonga amin’ny fiarakodia amin’ny alina ary toa efa fantatr’ireo jiolahy ireo olona manambola sy mitondra entana sarobikdy. Misy ireo taxi-moto miasa amin’ny alina no tsy hatokisana intsony hoy ity raim-pianakaviana iray voaendaka tao Avaradrova ity raha iny izy tonga ny alina iny, satria dia vao miala ilay taxi-moto ianao hoy ny fanazavany dia tsy tahotra tsy henatra fa avy hatrany dia manafika ireo jiolahy ary mandositra kosa ilay taxi-moto fa tsy mba manampy. Nanambarany ihany koa fa nisy nilaza ny fisian’ny volabe tany amin’ilay mpandeha. Mitombo isa rahateo ireo mponina eto amin’ny tananan’Ambatondrazaka ary misy amin’izy ireny ny tsy misoratra amin’ny fokotany akory. Eo ihany koa ny fivarotana zava-pisotro mahamamo amin’ny alina eo amin’ny tsena izay tsy mba misy fandraisana andraikitra atao mihitsy fa lasa gaboraraka. Manao antso ireo efa voaendaka ny mba hijerena ny tontolon’ny tsy fandriam-pahalemana eto amin’ny renivohitry ny faritra.
Janus R