Androngo marobe, izay tsy misy afa tsy eto Madagasikara no nisy nanary tao amin’ny lakan-dranon’Andriantany, omaly vao maraina tetsy Anosibe. Am-polony maro teo no isan’izy ireo, ary saika efa maty avokoa. Tao anaty gony no nisy ireto androngo lehibe fantatra amin’anarany siantifika hoe « Zonosaurus maximus » ireto. Hatairana ny an’ireo mponina teny an-toerana izay nahita. Biby tsy fahita firy tokoa mantsy, raha tsy any amin’iny tapany Atsimo Atsinanan’ny nosy iny ireto androngo lehibe ireto. Isan’ireo biby mangatsiaka rà arovana mafy ireto biby ireto raha ny fantatra. Ao Tsimbazaza aza moa dia tsy ahitana afa-tsy roa monja. Inoana marimarina fa saika haondrana any ivelany izy. Kanefa mety noho ny tsy fahazakana ny toe-tany teto an-drenivohitra dia maty avokoa ka io niafara tao amin’ny lakan-dranon’Andriantany. Mipetraka ny fanontaniana araka izany : iza no tompon’ireo ary iza no nanary azy tao. Mendrika ny henjehana mafy tokoa mantsy satria dia endrika fanondranana ny harem-pirenena izao. Tsiahivina fa efa nisy tranga toa izao teny amin’iny faritra Ankadievo, lalan’ny Bypass iny volana maromaro lasa izay. Hatreto anefa toa very anjavona fotsiny ny fanadihadiana ary mbola tsy fantatra izay olona tao ambadika.
m.L