- Publicité -
lundi, juillet 28, 2025
- Publicité -
AccueilFaits-DiversFenoarivo : Mpisoloky tanin'olona enina mianadahy voasambotry ny zandary

Fenoarivo : Mpisoloky tanin’olona enina mianadahy voasambotry ny zandary

Olona enina miandahy,voarohirohy amina resaka fisolokiana no voasambotry ny zandary teny Fenoarivo ny herinandro lasa teo. Raha mbola teo am-panaovana ny asa ratsiny mihitsy ireto olona ireto no voapaingotr’ireo mpitandro filaminana misahana ny heloka bevava etsy Fiadanana. Mbola tratra tany amin’izy ny antonta-taratasy hosoka maromaro mahakasika fananan-tany. Teo ihany koa ny fitaovana toy ny tombokasem-panjakana isan-karazany ary galonana kolonelin’ny Tafika. Araka ny fantatra dia efa tanin’olona maromaro teny amin’iny faritra Atsimondrano iny no efa lasibatr’ireto mpisoloky ireto. Rangahy antitra iray no entin’izy ireo hatao fitaovana amin’izany. Hanamboarana karam-panondro sandoka sy taratasim-panjakana maromaro ary taratasy famarotana. Milaza ho tompon’ny tany ity farany avy eo ka hivarotra izany. Raha ny fampitan-baovao avy amin’ny zandary hatrany dia efa tany amin’ny taona 2014 no nanaovan’izy ireo ity asa ratsy ity, saingy miafina foana ao ambadik’ilay lahiantitra izy ireo. Tsy misy ny takona tsy natao ho hita izany ka dia izao noraisim-potsiny izao izy ireo. Ny talata lasa teo no natolotra ny Fampanoavana ireto olona ary nampidirina am-ponja vonjimaika.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
414,384FansJ'aime
12,533SuiveursSuivre
1,820AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici