- Publicité -
mardi, mai 13, 2025
AccueilFaits-DiversAnosipatrana : Basy kilalao nentina nanafika tokantrano roa

Anosipatrana : Basy kilalao nentina nanafika tokantrano roa

Tokony ho tamin’ny iray ora maraina omaly no nitranga ny fanafihana indroa miantoana tetsy Anosipatrana. Tokatrano roa samy hafa saingy ao anatin’ny trano iray, izany hoe mifanao ambony sy ambany, no nataon’ny jiolahy lasibatra. Nopitsohin’ireo olon-dratsy ny varavarana ary rehefa tafiditra tao ambany izy ireo dia namoaka ny basy amin’izay. Satria tao anatin’ny tahotra sy ny horohoro ny olona iray tao ambany rihana dia tsy afaka ny namantatra intsony fa basy kilalao no nampiasain’ireo efa-dahy nanao ny fandrobana. Nosavaina avokoa ny fitoeran’entana rehetra tao an-trano. Tao anatin’izany korontana kely izany no henon’ny tao ambony rihana tampoka ny zava-nitranga. Nitsoka kiririoka avy hatrany ireo telo mianaka tao no sady niantso  vonjeo. Nanomboka nivoaka ny olona teo. Rehefa nahatsikaritra izany ny jiolahy dia nitsoaka niala teo an-toerana avy hatrany ny telo tamin’izy ireo. Ny iray kosa, sosotra, ary niakatra tao ambony rihana niaraka tamin’ny sabatra. Nifanehatra teo izy sy ny lehilahy iray izay naratra rehefa voatsatoky ny zava-maranitra nampiasain’ny jiolahy. Mbola nanararaotra ny nangalatra hatrany ilay olon-dratsy tao anatin’izany rehetra izany. Lasa ny finday sy ny firavaka volamena izay tao an-trano saingy mba tsy nahazo vola kosa io jiolahy io. Raha mba nanampy ny vadiny ny renim-pianakaviana dia mbola nofelahina indray mba hangina sy hipetraka tsara. Satria jiolahy iray sisa no tao an-trano tamin’io fotoana io, ary ny fokonolona dia efa nanomboka vory, niezaka ilay fianakaviana ny hitazona azy mba hanamora ny fisamborana. Saingy tafaporitsaka ihany ny anao lahy.Noho ny ratra nahazo azy dia nentina teny amin’ny toeram-pitsaboana ilay raim-pianakaviana. Noezahina natao kosa ny nanara-dia ireo olon-dratsy saingy tsy nisy hita intsony tao anatin’ny haizina.

D.R

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici