Tezitra ny olona ary nanara-maso akaiky ny fandehan’ny raharaha. Hipoka olona teny amin’ny fitsarana ary nisy mihitsy aza, raha araka ny vaovaon’ny mpitandro ny filaminana, ny nanan-kevitra ny nandoro izany raha toa ka tsy mifanaraka amin’ny eritreritr’izy ireo ny didy nivoaka tao. Ny niandohan’izany rehetra izany, dia ny nahitanan’ny olona zaza iray izay nolazaina fa very, dimy taona talohan’izao. Nisy nahatsikaritra anefa izy tato ho ato fa isan’ireo zaza izay taizana ao amin’ny trano fialofan’ny zaza kamboty iray ao an-toerana. Vetivety dia nahoraka ny vaovao ary voa mainka izany nanintona ny sain’ny olona rehefa fantatra fa teratany karàna ny tompon’ilay trano fitaizana zaza kamboty. Rehefa nivoatra ny fanadihadiana, dia fantatra hatramin’ny ray aman-drenin’ilay zaza ary nentina nijery azy. Ny indro kely anefa, raha araka ny vaovaon’ny mpitandro ny filaminana izay nanara-maso ny raharaha ihany koa, dia tsy fantatr’ilay zaza ny ray aman-dreniny. Asa na noho ny fotoana efa ela loatra, satria tamin’izy dimy taona izany no nahita farany ireo ray aman-dreniny ireo . Niakatra fitsarana ny raharaha rehefa nisy ny fitoriana nipetraka. Momba ity raharaha, dia fantatra fa nifampitory ireo nilaza ho ray aman-dreny sy ny tompon’andraikitr’ilay trano fitaizana zaza kamboty. Nandritra ny fotoam-pitsarana dia nandray fepetra ny tomponandraikitra ny hanaovana fitiliana “ADN” an’ilay zaza: izay folo taona amin’izao fotoana izao. Miankina tanteraka amin’izay no hahafantarana ny fisian’ny hala-jaza sy izay rehetra mety ho mifandraika amin’izany. Io fitiliana io anefa sady mila fotoana lava, satria mbola halefa any ivelany, no mila vola koa. Midika izany fa mbola tsy ato ho ato aloha ny fivahan’ity olana ity ary koa ny hamantarana izay rehetra mety ho tao ambadik’izay dimy taona tsy nahitana ilay zaza izay.
D.R




