- Publicité SW45 -
samedi, décembre 21, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-Divers« Bois de rose » : Hitory i Eddy !

« Bois de rose » : Hitory i Eddy !

Voatonona ny anaran’i Mamitiana Jean Eddy, fantatry ny maro amin’ny fanampin’anarana Eddy, tao anatin’ny raharaha « bois de rose » sarona tany Toamasina farany teo. Amin’io farany dia fanosoram-potaka indray izany ary tsy hihemotra izy manoloana ny zava-misy. « Tsy matahotra mandat d’arrêt izany aho satria tsy tompon’ireo entana saika haondrana ireo. Amiko, ny tompon’ny sambo no mahalala bebe kokoa ny momba ireo hazo sarobidy ireo sy ny tompony. Any aminy no tokony handeha ny fanadihadiana lalina fa tsy aty amiko”, raha araka ny fanazavan’i Mamitiana Jean Eddy. Io farany, raha tsiahivina, dia sady mpandraharaha eo amin’io sehatry ny hazo sarobidy io no filohan’ny fikambanan’ny mpandraharaha eo amin’ny sehatra mitovy. Momba ity raharaha naha-voatonona ny anarany ity dia olona fito no nosamborina sy naiditra am-ponja ao Ambalatavoahangy. Raha tsiahivina dia isan’ny nataon’ny Filoham-pirenena vaovao laharam-pahamehana ny ady amin’ny fanondranana hazo sarobidy. Vao omaly koa izao no nisy fidinan’ny mpitandro ny filaminana marobe tany anaty ala, tany Tolagnaro. Nahitam-pahombiazany izany satria sarona teo an-toerana, tao Esoso, ny “bois de rose” miisa 900 izay vao avy notapahina. Tafaporitsaka kosa ireo olona tompon’andraikitra tamin’ny fanapahana. Midika izany fa manerana ny nosy ny hetsika mandeha ankehitriny.

D.R

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser