Lehilahy iray tokony ho 35 taona eo ho eo, no hita faty tetsy Ambohijatovo, ny alarobia alina teo. Nihoson-drà tanteraka ny lehilahy, nahitana ratra mafy ihany koa teo amin’ny lohany. Izy efa nitsirara eo am-pivoan’arabe sisa no hitan’ny olona. Tonga teny an-toerana avy hatrany ireo tompon’andraikitry ny filaminana. Ny fizahana nataon’izy ireo no nahafantarana fa mety ho nodonin’ny fiara ity lehilahy ity. Tsy hita teny an-toerana intsony kosa anefa tetsy andanin’izany ilay fiara nandona. Tokony ho tamin’ny 11ora alina tany ho any no nitrangan’ity loza ity, raha ny fanazavana azo avy amin’ireo mpitandro filaminana. Olona sendra nandalo teny amin’iny faritra iny no nahita an’ity rangahy efa tsy misy aina intsony teo am-pivoan’arabe. Somary nanaitra ny olona ihany koa ny feona kodiarana nidrisina tamin’ny arabe, saingy ny alok’ilay fiara efa dila lavitra sisa no hitan’izy ireo. Namela ity voadona ity tamin’ny ratra teo am-pivoan’arabe. Nanomboka nitangorona ihany koa ny olona sendra teny an-toerana. Nentina novonjena haingana teny amin’ny toeram-pitsaboana ilay rangahy, saingy indrisy noho ny habetsaky ny rà very, dia tsy tana intsony ny ainy. Nomena ny fianakaviany moa ny razana, rehefa avy nozahana. Nametraka fitoriana teny amin’ny mpitandro filaminana ireto nanana ny maty ireto. Hatreto kosa dia mbola tsy fantatra ny mombamomba ny fiara nandona sy ilay mpamily, hoy ireo mpitandro filaminana. Eny fa na dia eo aza ny feo nandeha teny an-toerana fa toa hoe voaray an-tsary tamina “camera de surveillance” tamina trano teo akaiky teo ilay nahavanon-doza. Na izany na tsy izany anefa dia fantatra efa mandeha ny fanadihadiana sy ny fikarohana ity mpamily tsy mataho-tody, nahafaty olona ity.
m.L