- Publicité -
mardi, mai 13, 2025
AccueilFaits-DiversToliara : Nitolo-batana ilay miaramila nahafaty ny zaobaviny

Toliara : Nitolo-batana ilay miaramila nahafaty ny zaobaviny

Miaramila iray mitondra ny grady serzà sefo no namono nahafaty nitifitra tamin’ny basy kalachnikov ny zaobaviny izay kilemanina, ny zoma antoandro teo, tokony ho tamin’ny iray ora, tao amin’ny fokontany Tsokobory Toliara. Niboraka mihitsy ny tsinain’ity ramatoa voatifitra, satria bala telo no niantefa teo amin’ny kibony, hoy ny vaovao azo. Noho ny fahaverezan-drà be loatra dia namoy ny ainy ity renim-pianakaviana rehefa tonga tao amin’ny hopitaliben’i Toliara. Nitsoaka namonjy ny toby iasany kosa avy eo ilay miaramila nahavanon-doza, ary nalain’ny lehibeny teny an-tanànany ny basy.
Fifamaliana teo amin’ny mpivady. Ny borigadin’ny Zandary ao Tsianaloka Toliara no mandray an-tanàna ny raharaha. Efa notazonina am-ponja vonjy maika ity miaramila serzà sefo nandatsaka ain’olona miandry ny fotoam-pitsarana azy. Raha ny fanazavana voaray dia nanomboka ny alakamisy hariva ny adin’ ity miaramila ity sy ny vadiny. Nitohy ny ampitson’io ny gidragidran’izy roa, ka nananatra azy ity ramatoa kilemaina izay tsy afa-nihetsika, nefa tifitra variraraka no setrin’izany. Taitra noho ny feom-basy nirefotra ny teo amin’ny manodidina.
Eric Manitrisa

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici