- Publicité -
mardi, mai 13, 2025
AccueilFaits-DiversSoanierana Ivongo : Zandary maty vaotsindrona antsy

Soanierana Ivongo : Zandary maty vaotsindrona antsy

Ny alatsinain’ny paska kosa tao Soanierana Ivongo araka ny vaovao marim-pototra voaray avy any an-toerana, dia zandary GP2 nitsangantsangana niaraka tamin’ny fianakaviana tao Menatany no maty voatsindrona antsy teo amin’ny fony, raha nanasaraka tovolahy niady. Tezitra tamin’ny fanasarahana azy ny iray ka avy hatrany dia ilay zandary GP2 nanasaraka indray no nilerany  antsy. Avy hatrany dia nosamborin’ny olona ilay tovolahy, ary saika matin’ny fitsaram-bahoaka raha tsy tonga haingana ny mpitandro ny filaminana. Mbola nanara-dia teo anivon’ny borigadin’ny zandary tany an-toerana ireo olona maro be nangataka ny hanaovana fitsaram-bahoaka ilay tovolahy, saingy nilamina ihany ny raharaha.

Malala Didier

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici