- Publicité SW45 -
dimanche, mars 16, 2025
AccueilFaits-DiversAntsirabe : Rangahy voahitsaky ny kamiao, potika ny lohany

Antsirabe : Rangahy voahitsaky ny kamiao, potika ny lohany

Nisehoana lozam-pifamoivoizana nahatsiravina indray teto Antsirabe, ny alin’ny talata lasa teo. Maty tsy tra-drano ilay rangahy, ary potika tanteraka ny lohany.

Tsy nisy nahafantarana azy intsony ilay rangahy voahitsaky ny kamiao ity, tao Mahazoarivo avaratra amin’ny lalana rarivato iny no nisehoan’ny loza ny alin’ny talata lasa teo tokony ho tamin’ny 8 ora sy sasany alina. Amin’ny maha andro tsy fiasana io andro io, dia niaraka tamin’ny namany nisotrosotro tao amina toeram-pivarotana iray ity rangahy ity rehefa hariva ny andro. Teo am-pirevena no nilaza  hivoaka handeha hivalan-drano ity lehilahy ity, tsy fantatra marina izay tena zava nitranga, fa feo nipoaka mafy no nanaitra ireo namany. Nivoaka hijery ny zava-nisy ireto farany,  kinajo ity namany efa mitsirara eo amoron’ny ara-be no tazany, samy nikoropaka hamonjy nefa indrisy fa rà mandrika no nameno sisin-dalana ary nipotsaka hatramin’ny atidohan’ilay rangahy. Tsy nisy namantarana ilay rangahy intsony fa potika tanteraka ny lohany sy ny tavany. Ilay kamiao kosa nandritra izany  mainka nandeha mafy, nitsoaka nandositra niala haingana ilay toerana nisian’ny loza. Tsy nisy nahatazana ny laharana, ny andro rahateo efa maizina, ny olona nanodidina koa variana nijery loza sy nikasa hamonjy. Efa misokatra ny fanadihadiana amin’izao, araka ny nambaran’ny mpitandro filaminana ary antenaina fa hisy vokany haingana izany, satria efa misy ny ahiahiana ho nahavanona ity loza namoizana ain’olona ity.

Andry N.

- Publicité -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici