Hipoka olona avokoa ny toerana rehetra izay naleha teto Mahajanga, ny andron’ny Paska sy ny alatsinain’ny paska lasa teo. Nanao fety tamim-pilaminana daholo ny rehetra na ny tany an-tokantrano na ireo teny amin’ny toeram-pitsangantsanganana samihafa. Samy nanao izay tandrify azy avokoa mantsy ireo mpitandro ny filaminana sy ireo mpamonjy voina.
Ny teny amin’ny torapasiky ny Village touristique no nisy tranga fahadoboana ny alatsinainy. Telo mianadahy nivahiny teto Mahajanga avy any Fianarantsoa izy ireo. Ilay tovovavy iray no maty; izay vao 14 taona monja ary efa hita ny razana. Izy mianadahy namany kosa avotra soa aman-tsara ihany rehefa avy nahazo vonjy aina. Ny talata indray, lozam-pifamoivoina kosa no nitranga teny Antanambao Andranolava RN4, namoizana 5 mianaka be izao. Raha ny vaovao izay voaray dia niala làlana ka nilatsaka tany anaty tetezana izy ireo, ary izay no niteraka ny loza.
Mahakasika io lozam-pifamoivoizana io, betsaka ihany ny tranga niseho teto an-tampon-tanàna ny Mahajanga. Raha ny fanazavana azo teny amin’ny hopitaly mantsy dia saika io avokoa no fototry ny olana ka nahatonga ireo olona 15 naiditra tany. Ilay teny amin’ny Petite plage no tena naratra mafy. Môtô quad iray mantsy no nandona ilay tovolahy ka vaky naratra be ny lohany.
Ankoatra ireo rehetra ireo, olona 11 no nampidirin’ireo polisy “violon” teny amin’ny Commissariat Central vokatry ny adiady madinidinika sy ny hamamoana niteraka fanakorontanana. Nisy koa ireo tandrevaka maro samihafa ka tafakatra 36 ireo zaza very teny amin’ny Petite plage sy teny amin’ny Grand pavois. Ireo mpamonjy voina avy eo no voatery nandroaka ireo ankizy rehetra ireo ka nametraka azy ireo teny amin’ny Croix rouge Mangarivotra ka teny ireo ray aman-dreniny avy eo no naka azy.
Amin’ny ankapobeny, azo lazainy ho nilamina ny fanamarihana ny paska teto Mahajanga. Tsy nisy ny sotasota ary tsy nisy ny fanafihana. Hatramin’izao aza moa dia mbola miparitaka eran’ny tanàna ireo mpitandro ny filaminana manao ny asany.
Tantely Vandriam