- Publicité SW45 -
samedi, mars 15, 2025
AccueilFaits-DiversToamasina : Hiditra amin’ny fandravana ireo “bar sachet” ny ben’ny tanana…

Toamasina : Hiditra amin’ny fandravana ireo “bar sachet” ny ben’ny tanana…

Taorian’ny fampiantsoana nataon’ny prefen’i Toamasina Benandrasana Cyrille ny ben’ny tanana, ka nanomezany baiko ny tsy maintsy hanadiovany ny tanana amin’ny lotony misy ankehitriny, dia nandray an-tanana izany ny Dr Ratsiraka Elysee Laurent ben’ny tananan’i Toamasina renivohitra.

Natomboka tao Anjoma izay tsy afa-drano isaky ny fotoana fiavian’ny orana ny fanadiovana ireo  lalan-drano maloto. Hitohy ao Ankirihiry hatrany Ambohijafy izany amin’ity herinandro ity ihany, ary tsy hadino koa ny olan’ny rano mihandrona iainan’ny mponina ao Andranomadio amin’izao fanadiovana izao. Tsy hijanona amin’izany anefa ny fanadiovana tian’ny ben’ny tanana hatao sy baiko azony izao, fa mitohy izany eo anivon’ny fitantanana sy ny mpiasa eo anivon’ny kaominina. Fa ny tena goavana dia ny mikasika ny fanadiovana ny moron-dranomasina amin’ireo “bar sachet” manempotra azy; izay nolazain’ny ben’ny tanana fa toerana isian’ny trafikan-drongony sy basy ary hatramin’ny olona ka lasibatra amin’izany ireo zazavavy. Manomboka ny zoma izao no hiditra amin’ny fanalana azy ireo ny kaominina.

Ankoatra izany, dia hiditra amin’ny fanakatonana ireo “bar karaoke” sy ireo trano fandihizana tsy manara-penitra ihany koa ny prefen’i Toamasina amin’ity herinandro ity. Ka araka ny nambarany, dia hisy trano fandihizana sy “bar karaoke”  03 tsy maintsy akatona, noho ny tsy filaminana ankapobeny sy ara-piarahamonina aterany. Hitohy hatrany izany mba hitsinjovana ny filaminam-bahoaka sy ny hoavin’ny tanora ary hitohy amin’ny ho fampiatoana ihany koa ny “THB Tour” izany…

Malala Didier

- Publicité -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

2 Commentaires

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici