# – Ambohimahasoa. Basy vita gasy tratra. Nanao fisavana ny zandary tany Camp Robin, tamin’ny 28 martsa lasa teo. Tamin’izany no nahatrarana lehilahy iray nitondra basy vita gasy niaraka tamina bala 7,62 m/m. Avy hatrany dia notanana tao amin’ny borigadin’i Camp Robin io olona io. Ny zandary any an-toerana no manao ny fanadihadiana.
# – Lozam-pifamoivoizana. Olona 5 naratra. Tamin’ny 28 martsa teo, nisy lozam-pifamoivoizana niseho teny amin’ny toerana antsoina hoe Sahalina any Fianarantsoa. Vokany, olona 5 no fantatra fa naratra. Fiara roa no nifandona. Ny iray avy any Fianarantsoa ho any Ambalavao, ny faharoa avy any Ambalavao. Simba tanteraka ireo fiara ireo.
# – Ihorombe. Lehilahy maty voahosin’ny fiara. Ny 28 martsa, lehilahy iray no nianjera tao ambany kamiao. Voahosin’ny kodiarana ity olona ity ary voalaza fa maty teo no ho eo. Tsy fantatra ny nahatonga io olona io tao ambany kamiao. Ny zandary avy ao Ihosy no misahana ny fanadihadiana.
#- Ankazobe. Môtô roa niharan-doza. Môtô roa no niharan-doza teny amin’ny disitrikan’Ankazobe ny 28 martsa sy 29 martsa teo. Ny iray voalohany,vokatry ny fandehanana mafy, nidona tamin’ireny « balise » amoron-dalana ireny. Naratra ireo olona roa nitaingina izany. Ny loza faharoa dia niseho teny amin’ny toerana antsoina hoe Mangabe. Nidofotra tamina fiara iray ilay môtô nanao taingin-telo. Samy naratra avokoa ireo olona ireo.
Nangonin’i r.s.