Na efa tsy dia miasa intsony aza ny ankabeazan’ireo lalam-by eto amintsika, mbola misy amin’izy ireny no ifamezivezen’ny fiaran-dalamby, ary mampidi-doza tokoa. Anisan’izany iny miatsinanana iny. Ny alatsinain’ny paka lasa teo, ankizilahy roa no naratra mafy rehefa voadonan’ny masinina, teny amin’ny faritra Ambohimanambola. Raha ny fantatra dia avy nitsangantsangana ny fianakavian’izy roalahy ireto, io alatsinainy io. Tokony ho tamin’ny fito ora hariva teo no niseho ny loza, raha ny fampitam-baovao avy tamin’ny zandary. Teny an-dalam-podiana mantsy dia nanapa-kevitra ny hanaraka lalam-by ireto mpianakavy kely. Tsy nampoizin’izy ireo velively anefa ny fisian’ny fiaran-dalamby nipoitra tampoka avy any. Tafatsoaka haingana anefa ireo olon-dehibe, fa ireto ankizy 14 taona sy 6 taona no mbola variana nilalao. Voakasiky ny loha-masinina ireto zaza ireto ary nipitika lavitra tokoa. Nandriaka ny rà. Nahitana fahatapahana ny taolan-tsandrin’ilay zokiny, loakan’ny vy kosa ary voa teo amin’ny tampon-kandriny ilay zandriny. Na izany aza anefa, avotra soa aman-tsara ihany izy roalahy, rehefa nentina novonjena haingana teny amin’ny toeram-pitsaboana. Fantatra fa monina eny amin’iny faritra Ambanidia iny izy mianakavy kely ireto. Nampandrenesina haingana moa ireo zandary tao amin’ny borigadin’Ambohimangakely ary tonga teny an-toerana nizaha ifotony. Tetsy an-danin’izay ihany koa, toa ireo lozam-pifamoivoizana an-dalamby, dia tsy maintsy nanokafana fanadihadiana ity tranga ity. Efa eny an-tanan’ireo pôlisy misahana ny gara no manao ny famotorana. Nandriaka tokoa ny rà tamin’iny faran’ny herinandron’ny paka lasa teo iny, indrindra fa tamina resaka lozam-pifamoivoizana. Olona 11 teo mantsy no lasibatr’izany, raha ny teto an-drenivohitra monja, araka ny fampitam-baovao avy amin’ny hôpitaly.
m.L