- Publicité -
dimanche, mai 11, 2025
AccueilFaits-DiversToliara : Tovolahy nangalatra mangahazo, maty gorobaky ny lefona

Toliara : Tovolahy nangalatra mangahazo, maty gorobaky ny lefona

Lehilahy iray manodidina ny 30 taona voalaza fa tratra nangalatra mangahazo no maty voatsindrona lefona tany amina tanàna iray, 25 km avaratry Toliara, ny alin’ny talata hifoha ny alarobia teo. Niditra teo amin’ny lamosiny ny lefona ary nivoaka tany amin’ny tratrany ka nampitolefika an’ilay mpangalatra ary nitarika ny fahafatesany noho ny fahaverezan-drà be loatra, raha araka ny vaovao voaray. Leom-boananana amin’ny halatra mateti-pitranga amin’ny mangahazony ny raim-pianakaviana mpamboly iray, ka manao fisafoana sy fiambenana matetika ny voliny amin’ny alina miaraka amin’ny zanany roa lahy. Nahatsikaritra olona tao afovoan’ny tanimboliny izy ireo ny alina io, ka nanatona sady nijoko moramora. Inona tokoa mpangalatra efa nahafeno mangahazo tapan-gony no tratran’izy ireo. Rehefa nosamborina dia nanohitra ary tonga dia saika hamono tamin’ny angady nentiny, ka voatery nampiasa ny fitaovam-piadiana teny an-tanàna ny iray tamin’ny tompom-boly mpiambina, hoy hatrany ny vaovao azo.
Eric Manitrisa

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

3 Commentaires

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici