Taorian’ireo vola malagasy sandoka maro tratra ny taona lasa, dia manomboka miverina indray ny fanaovana izany amin’izao, saingy nivadika ho vola vahiny “euros” indray no ataon’ireo mpanao izany.
Ny faran’ny herinandro ny paska teo dia tovolahy roa, dia ingahy Nino sy ny namany iray antsoina hoe Rasta, no saron’ny polisy avy eo anivon’ny “Unite d’Intervention Rapide (UIR)” ny polisy Toamasina, teo am-pisandohana ramatoa iray raha hivarotra ireto vola “euros” sandoka teny aminy. Nahitana 50 euros 03 sy 100euros 13 ireto vola tsy izy ireto izay mitotaly 1.450euros. Ny fahamailoan’ilay ramatoa namarotan’izy roa lahy azy no nahatonga azy ireto noraisim-potsiny satria ilay ramatoa no nampandre ny mpitandro ny filaminana mikasika ity raharaha ity. Raha ny fanazavana azo ihany koa dia tsy vao sambany nanao izao vola sandoka izao sy amin’ny heloka hafa ireto tovolahy roa voasambotra ireto, fa efa manana antontan-taratasy maromaro ihany eo anivon’ny polisy sy ny fitsarana, saingy mahazo ny rariny hatrany rehefa tonga ny fotoam-pitsarana azy ireo indrindra moa ingahy Nino izay efa lisitra mainty ny polisy hatramin’ny taona 2008. Ankilan’ireo dia teo koa ny fahatrarana ireto bandy 03 lahy, ireo antsoina hoe ekipan’ny Elysée sy Bota kely, efa roa taona nikarohana azy ireo amin’ny fanaovana fanafihana mitam-piadiana, tahaka ny nitranga tao amin’ny Boutik Orange Tanambao V sy tao amin’ny “la hutte canadienne” Tanambao V ihany koa. Tsy nahatratrarana basy aloha izy ireo tamin’izao fahatrarana azy izao, fa mbola olona efatra karohana voalaza fa mpitana ireo basy fampasain’izy ireo. Ankoatra ireo dia saron’ny polisy ambodiomby ihany koa tovolahy iray mpamaky fiara ao Toamasina, ka ireo fiara mihantsona amina lanonana sy mandeha biraom-panjakana no tena lasobatra amin’izany. Hafa kely ny fanaony satria ankizilahy kely no irahiny mijery ireo fiara hangalarana mandritra ny asa ratsiny.
Niakatra fitsarana omaly avokoa izy 06 mirahalahy ireto, ka araka ny didy savaranondo navoakan’ny mpitsara mpanao famotorana araka ny fehin-tenin’ny fampanoavana manenjika azy ireo; dia miandry fitsarana am-ponja ao Ambalatavoahangy avokoa izy rehetra nanomboka omaly tolakandro.
Malala Didier