Tovovavy 25 taona no miady aina mafy vaky loha tsy hay na ho faty na ho velona, nisy nively tamin’ny “bois rond”, ny alakamisy alina teo, tany Toliara. Roalahy no voalaza fa nanakana azy, 200 m eo ho eo tsy hiditra ny trano fonenany tao anatin’ny haizina tsy lavitra elanelan-trano, rehefa niala “cyclo-pousse” izy handeha hamonjy fodiana avy nirava niasa alina no izao tra-doza izao. Niantso vonjy ity vehivavy voavely “bois rond” ka taitra ny manodidina. Niakarapoka tamin’ny tany tsy nahatsiaro tena izy avy eo vokatry ny fahaverezan-drà be loatra. Nitsoaka ireo mpamono rehefa vita ny asa ratsiny ary tsy nitondra na inona na inona. Raha ny loharanom-baovao marim-pototra voaray, dia matetika mahazo fandrahonana amin’ny alàlan’ny laharana finday miafina ity tovovavy nisara-bady ity talohan’ny namonoan’ny sasany azy izao. Valifaty sa fialonana? Efa misy olona ahiahian’ny fianakaviany amin’izao, ka ny fanadihadian’ny mpitandro filaminana ihany no hahitana sy hivoahan’ny ny marina amin’ity raharaha ity.
Eric Manitrisa