“Simba tanteraka ny tora-pasikantsika amin’ny fisian’ireo trano tsy ara-dalàna mivarotra zava-pisotro misy alikaola, mameno ny morontsiraka. Ny fisian’izy ireo ihany koa no mahatonga ny moron-dranomasin’i Toamasina ho lasa tsy milamina sy maloto”, hoy ny ben’ny tanàna,ny Dr Ratsiraka Elysee Laurent. Nanomboka ny herinandro ity, dia nisy ny fanadiovana nentin’ny kaominina handaminana izany, sy nanesorana ireo fivarotana zava-pisotro misy alikaola tsy manara-dalana ireo.
Nomarihan’ny ben’ny tanana hatrany, fa “tsy maintsy diovina io tora-pasika io manomboka izao, ary tsy maintsy foanana eny ireo mpivarotra tsy manara-dalana ireo; izay tena mamosavy ny tanora malagasy amin’ny rongony sy fivarotan-tena ary loharanon’ny tsy filaminam-bahoaka ihany koa, indrindra ireo mpitsangantsangana”. Raha samy nahatsapa tena tamin’ny fanalana ny fivarotany tsy nanara-dalana ireo mpivarotra an-jatony nanangan-trano teny tamin’ity herinandro ity, dia omaly zoma kosa no tonga nanara-maso izany ny ekipan’ny ben’ny tanàna niaraka tamin’ny Emmo-Reg, satria raha misy ireo mbola miziriziry tsy hiala, dia tsy maintsy hampiasa fitaovana handravana izany ny kaominina. ny zava-misy anefa omaly tolakandro ihany dia nisy tamin’ireo mpivarotra ireo no efa niverina, ka nametraka ny fivarotany tao an-damosin’ny trano fisakafohanana “La Recrea” indray.
Hisy ny fandaminana tsy maintsy hapetraka vao afaka mamerina mpivarotra eny ny kaominina araka ny nambaran’ny ben’ny tanàna, satria ilain’ireo mpitsangantsangana ihany ny fisian’ireo mpivarotra ireo. Saingy tsy maintsy apetraka ny fepetra hentitra sy fanarahan-dalana henjana, ka mandritra izany, dia ny faran’ny herinandro ihany no hahafahana mivarotra, ary tsy misy mahazo manangana trano.
Malala Didier