- Publicité SW45 -
mercredi, octobre 23, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAntsirabe : “Gilet” nozairina nasiana rongony

Antsirabe : “Gilet” nozairina nasiana rongony

Lehilahy nitondra rongony  iray indray no saron’ny polisy ny alarobia 19 Febroary lasa teo, tao Tombontsoa. Tsy kely làlana tokoa ny ratsy fa dia mahita hevitra hatrany hanaovana asa maloto. Fisavana mahazatra fanaon’ny mpitandro filaminana no nahatratrana ity lehilahy ity. Nandeha fiara “taxi-brousse” hihazo an’Antananarivo izy  no izao saron’ny polisy izao. Nandritra ny fisavana nato no tsikaritra fa hafahafa ny fitafian’ity lahilahy iray manao “gilet” feno zaijaitra maro be. Nampidinina avy hatrany ranamana  nosavaina. Rehefa notsapaina ny akanjony dia feno zavatra nibontsina tao anatiny. Nesorina ilay fitafiany ka notatahana avy eo ,inona tokoa fa rongony maro be no tao anatiny. Tokony ho 2 kg eo n y lanjany, ankoatra izay rehefa nosavaina koa ny entany dia mbola nahitana rongony 4kg eo ho eo. Natolotra ny fitsarana omaly alakamisy  ity rangahy voasambotra ity.

Andry N.

- Publicité -
- Publicité Google Ads -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser