Ramatoa iray mipetra-drery manodidina ny 38 taona izay efa maty vady, manan-janaka roalahy voalaza fa mpidoroka rongony sy gadralava, no maty namono tena hita faty ny asabotsy teo tany Toliara. Raha ny loharanom-baovao dia noroahin’ny tompon-trano tamin’ny trano nofainy ity renim-pianakaviana izay voalaza fa tsy nahaloa hofan-trano enim-bolana. Nangataka fetr’andro farany hifindrany trano izy omaly alahady, kanefa dia vatana mangatsiaka tsy nisy aina intsony no novantanin’ny tompon-trano izay niantso haingana ny manodidina nampiseho sy nijery ny zava-nisy. Nahitana fonon-karazam-panafody samihafa tsy lavitra ny razana, ary teo no fantatra fa namono tena vokatry ny famoizam-po tsy nahazaka onjam-piainana ity ramatoa voadona ara-tsaina ity.
Eric Manitrisa