- Publicité -
mercredi, mai 14, 2025
AccueilFaits-DiversBongolava – Alaotra : Olona dimy maty, 12 lasan’ny dahalo takalonaina

Bongolava – Alaotra : Olona dimy maty, 12 lasan’ny dahalo takalonaina

Manjaka indray ny asan-dahalo. Ny faran’ny herinandro lasa teo, olona dimy no maty tany Tsiroanomandidy, omby eo amin’ny 300 mahery eo kosa no lasa. Tany Andilamena, olona 12 no nentin’izy ireo natao takalonaina, ambonin’ireo omby 230 no lasan’izy ireo.

Tsy any Atsimon’ny Nosy, tsy aty am-povoan-tany fa dia mandravarava indray ny dahalo, am-polony , mirongo basy. Miverina miha-mafampana indray ireo faritra nalaza tamin’ity resaka ity. Eny miitatra any amin’ireo faritra tsy mbola nanjakan’izany mihitsy aza izany ankehitriny. Fantatra mantsy fa nisehoana fanafihan-dahalo niampy fangalana an-keriny tao amin’ny Maroantovo, kaomina Tanananifololahy, any amin’ny distrika Andilamena, ny zoma maraina lasa teo. Dahalo teo amin’ny 30 lahy, nirongo basy sy zava-maranitra no tonga nanafika tao an-tanana. Tsy nisy ny aina nafoy, na izany aza, olona 12 no nentin’izy ireo natao takalonaina, nanampy ireo omby 250 lasan’ireto olon-dratsy. Niditra an-tsehatra avy hatrany ny kaompanian’ny zandary any an-toerana. Raikitra ny fifanjevoana tamin’ireo malaso. Votsotra tamin’izany ireo takalonaina. Tafaverina ihany koa ny omby. Tafaporitsaka kosa tetsy andanin’izay ireo dahalo.

Fa nahery vaika ihany koa ny fanafihan-dahalo tany amin’iny faritra Bongolava iny. Tany Bemahatazana ny alarobia lasa teo ka nahazoan’ireo malaso omby 130. Saingy rehefa nanara-dia ny zandary sy ny miaramila dia azo avokoa ireo omby. Dahalo roa kosa no maty. Fa ankoatr’izay nisehoana fanafihan-dahalo tao Ambalaseva, fokontany Mahatsinjo, kaominina Fierenana, any amin’iny distrika Tsiroanomandidy iny, ny alakamisy lasa teo. Vokany, olona dimy matin’ireo dahalo, omby  300 mahery any kosa no lasan’izy ireo. Nanara-dia avy hatrany ireo zandary tao Mahatsinjo. Kanefa tratran’ny be no ho vitsy avy hatrany izy ireo. Dimy monja mantsy ireto mpitandro filaminana, raha nahatratra hatrany amin’ny 80  mirongo basy any ireo dahalo. Voahodidina araka ireto mpanara-dia ka tafalatsaka tao anatin’ny fandrik’ireo malaso. Avotra sy tafavoaka soa aman-tsara avokoa anefa izy ireo, raha ny fampitam-baovao hatrany. Saingy, raha ny loharanom-baovao azo dia nisy fitaovam-piadiana teny amin’izy ireo lasan’ireo olon-dratsy. Taorian’izay dia fantatra nandefa zandary 25 ny avy ao amin’ny kaompania any an-toerana hanara-dia. Nisy ihany koa kômandô 20 avy aty an-drenivohitra nalefa hanampy  azy ireo. Hatreto dia fantatra fa mbola eo am-panarahan-dia ireto olon-dratsy ireto zandary ireto. Marihana fa mizotra miankandrefana mahazo ny faritra Menabe iny ny dian’omby. Efa nisy kosa ny omby 70 azo teny am-pelan-tanan’ireo olon-dratsy.  Fantatra ihany koa fa nidina tany an-toerana mihitsy nizaha ifotony ny zava-misy ny Kômandin’ny fari-piadidin’ny zandary eto Antananarivo, ny Jly Florens Rakotomahanina.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici