- Publicité -
dimanche, juillet 6, 2025
AccueilFaits-DiversIhosy : Lehilahy iray maty voahitsaky ny kamiao

Ihosy : Lehilahy iray maty voahitsaky ny kamiao

Nitrangana loza nahatsiravina indray tany Ihosy amin’ny lalam-pirenena fahafito iny, tany Ankily, ny 29 martsa lasa teo. Lehilahy iray no maty tsy tra-drano ary potika tanteraka tsy nisy noraisina ny vatany notetezin’ny kodiarana kamiao. Raha ny vaovao voaray ,dia nikirozaroza teo amin’ny varavaran’ilay kamiao ny tenany raha mbola teo am-pandehanana ilay fiara. Tsy nahatazona tampoka anefa izy ka avy hatrany dia nikorisa nahazo ny kodiarana aoriana ary voatetin’ny kodiarana tao. Mbola tamin’iny lalam-pirenena fahafito iny ihany, saingy ny alatsinain’ny Paska teo kosa, dia fiara Mazda sy 4×4 marika Toyota iray no nifandona vokatry ny fandehanana mafy tao Sahalalina, ka olona dimy no naratra mafy tsy maintsy naiditra hopitaly tao Fianarantsoa.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici