- Publicité -
jeudi, mai 15, 2025
AccueilFaits-DiversAmbositra : Zazakely roa maty nianjeran’ny trano

Ambositra : Zazakely roa maty nianjeran’ny trano

Trano fisakafoanana iray ao Ambositra; izay an-dalam-panondrotana ny rihana faharoa no nianjera ka namono zazakely roa 5 taona sy 3 taona, ny 31 martsa lasa teo, teny amin’ny fiantsonan’ny fiara ao Alakamisy. Teo am-panamboarana indrindra ny trano ireo mpandrafitra no nirodana tampoka ny ilany avaratra ka nianjera niaraka tamin’izay ireo mpiasa telo lahy, izay naratra mafy avokoa. Fantatra araka ny loharanom-baovao, dia nilalao teo ambany ireo ankizy kely ka voatsindry tao ary maty tsy tra-drano nianjeran’ny vy sy “beton”. Fiara fitateram-bahoaka roa nijanona tsy lavitra teo ihany koa no potika tsy nisy azo noraisina ary naratra avokoa ireo olona rehetra tao anatiny, izay saika hihazo an’i Soavina, ka tsy maintsy nentina haingana namonjy hopitaly. Raha ny loharanom-baovao hatrany dia tsy manaraka ny lalàna sy fenitra takiana amin’ny fanamboaran-trano an-tanàn-dehibe ity trano nirodana namono olona ity.

Eric Manitrisa

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici