- Publicité -
dimanche, juillet 6, 2025
AccueilFaits-DiversRN5 : Naratra mafy ny depiote Tody Arnaud sy ireo skoto 15...

RN5 : Naratra mafy ny depiote Tody Arnaud sy ireo skoto 15 niaraka taminy

Nitrangana lozam-pifamoivoizana naharatrana olona mafy indray, ny lalam-pirenena faha-05.

Ity lozam-pifamoivoizana nitranga tokony tamin’ny 05ora maraina ity, dia niseho tao amin’ny tanàna Manakatafana amin’ny lalana mihazo an’i Soanierana Ivongo. Ny depioten’i Soanierana Ivongo ny Me Tody Arnaud no nitondra ny fiara avy naka ireo andiana skoto avy nampianatra ireo tantsaha namboly vary 10 andro tao Vohilengo Fenerivo atsinanana. Nisy 23 izy ireo tao anatin’ilay fiara 4×4 nentin’ny depiote, raha niala lalana ilay fiara dia voadona teo amin’ny tratrany sy ny tongony ny Me Tody Arnaud, ka avy hatrany dia torana; ireo skoto tao aorian’ilay fiara kosa dia naratra mafy ny 15 tamin’izy ireo, saingy tsy misy ahiana ny ainy raha nahazo fitsaboana tao amin’ny hopitaliben’i Fenerivo atsinanana. Ny Depiote naratra mafy nitondra ny fiara 4×4 kosa voatery nentina haingana teo anivon’ny hopitaly oniversiteran’i Morafeno Toamasina. Raha ny fanazavan’ny mpitsabo, dia efa mivoatra ny fitsaboana azy ireo ankehitriny ka tsy misy atahorana ny ainy, efa nisy rahateo ny fitiliana natao taminy.

Raha ny fanazavan’ireo naratra tamin’ny mpitandro ny filaminana nanao ny fanadihadiana ny lozam-pifamoivoizana, dia  torimason’ny mpamily no nahatonga izao loza izao, saingy soa ihany fa tsy nivadika ilay fiara 4×4 raha niala lalana. Fantatra mantsy fa avy any Anove lalana mihazo an’i Mananara avaratra ny depiote izay niezaka naka ireto andiana skoto tao Vohilengo izao; ka vokatry ny harerahana teo aminy dia niteraka izao loza izao ary niteraka faharatrana mafy  ihany koa.

Efa manao ny fitsaboana rehetra tamin’ireo naratra izy ireo, ary efa manao ny ezaka rehetra koa amin’ny fitsaboana ny depiote sy ilay tovovavy naratra mafy nentina ao Toamasina I.

Malala Didier

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici