- Publicité -
dimanche, juillet 6, 2025
AccueilFaits-DiversAntsohihy : Zaza roa novonoina, nariana teny amoron-dàlana ny fatiny

Antsohihy : Zaza roa novonoina, nariana teny amoron-dàlana ny fatiny

Ankizy roa no hita faty izay novonoina tamin’ny fomba mahatsiravina ary nariana teny amoron-dàlana ny razana rehefa tsy nisy aina intsony, ny faran’ny herinandro lasa teo, tao an-tampon-tanànan’Antsohihy, ka olona sendra nandalo no nahita ireo razana. Zazavavy kely iray vao telo taona monja monina ao anatin’ ny Fokontany Antanamaina ny iray namoy ny ainy. Araka ny vaovao voaray, dia ny andron’ny alarobia lasa teo izy no nisy naka an-keriny tao an-tranony. Nikoropaka nitady sy niala nenina nikaroka azy ny fianakaviana sy ny fokonolona manodidina, nefa tsy nahitam-bokany izany. Roa andro taorian’io vao nisy nahita tsy lavitra ny tanàna ilay zaza, saingy efa ny vatana mangatsiakany sisa nalain’ny ray aman-dreniny.
Vono olona an-kitsirano. Raha araka ny fanadihadiana nataon’ny mpitandro filaminana sy ny mpitsabo tonga nizaha ny razana teny an-toerana, dia vono olona an-kitsirano no nitranga. Mbola tsy fantatra hatreto izay nahavanon-doza sy ny antony nahatonga izao habibiana izao. Tovolahikely iray sahabo ho 14 taona kosa ny faharoa maty nisy namono notrobarana  lefona, tao Antanandava mbola tao an-tampon-tanànan’Antsohihy hatrany. Lehilahy iray mpiray tanàna aminy ihany no nahavanon-doza ary efa voasambotra hatolotra ny fitsarana tsy ho ela, hoy ny loharanom-baovao.

Eric Manitrisa

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici