# – Itaosy. Rongony. Olona efatra voasambotra. Nahazo vaovao ny polisy maidy amin’ny fianahan’ny zava-mahadomelina fa misy olona mivarotra rongony eny Itaosy. Nandeha nidina teny an-toerana ry zareo ka lehilahy iray no tratra niaraka tamina fonosana rongony miisa enina. Rehefa nofotorana izy io dia nanoro ny toerana nolazaina fa nividianany ireo zavatra amidiny ireo. Antohomadinika no notondroiny ka tratra teny an-toerana ny rongony iray gony milanja 30 kg. Tratra tao koa ny lehilahy roa. Rehefa nandeha ny fanadihadiana dia fantatra fa tafakatra efatra ireo olona nosamborina ary natolotra ny Fampanoavana tamin’ny faha-4 aprily to. Tazonina vonjy maika any am-ponja izy ireo.
# – Andohoranofotsy. Fanafihana. Namoy ny ainy ny vadin’ilay lehilahy voatifitra. Fantatra izao fa taorian’ny fanafihan-jiolahy teny amin’ny lalana By Pass nahafaty raim-pianakaviana iray tamin’ny faran’ny herinandro lasa teo, namoy ny ainy koa ilay ramatoa vadiny izay voalaza fa naratra tamin’io fanafihana io. Volabe no lasan’ireo jiolahy tamin’io fotoana io. Efa misokatra ny fanadihadiana ataon’ny mpitandro filaminana amin’izao fotoana izao.
Nangonin’i r.s.