- Publicité -
lundi, juillet 7, 2025

Tapatapany

# – Antsirabe. Ankizy vavy maty nodomin’ny fiara. Ny faha-2 aprily lasa teo, nisy lozam-pifamoivoizana namoizana ain’olona teny amin’ny toerana antsoina hoe Ambory any Antsirabe II. Ny vaovoa no nahafantarana fa fiara taxi-brouse iray nandeha mafy no nifaoka mpandeha an-tongotra iray. Fantatra fa nandeha mafy loatra ilay fiara niala tany Antsirabe ho aty Antananarivo. Nivoaka ny lalan io fiara mpitatitra io ary dia izao nahafaty olona izao. Ankoatra ilay namoy ny ainy, olona roa hafa tao anatin’ilay fiara mpitatitra no naratra ary nentina notsaboina tao amin’ny Clinique akaiky eo. Ny zandary avy ao amin’ny PA Ambohibary no misahana ny fanadihadiana. Efa tazonina vonjy maika ao amin’ny birao ilay mpamily.

 # – Maroantsetra. Hita ny fatin’ilay zandary. Omaly tamin’ny 9 ora no hita ny fatin’ilay zandary narendriky ny lakana tany Rantabe Maroantsetra niseho ny faha-3 aprily lasa teo. Olona maromaro no lasan’ny rano tamin’io fotoana io ka anisan’izany ny vadin’ity zandary ity. Ilay ramatoa moa tsy niandry ela dia hita ny fatiny. Ho entina any amin’ny kaominina Andaingo any Moramanga ny vatana mangatsiakan’itompokolahy Randrianirina Robert chef de poste tao Rantabe sy ny an’ilay vehivahy niaraka taminy. Ny vaovoa hatrany no nahafantarana fa efa hita avokoa ireo olona dobo tamin’ny fotoana nisehoan’ny loza.

# – Anosy. Fitsidihan’ny masoivohan’i Ejipta ny minisitry ny Filaminana Anatiny. Tonga nanao fitsidihana ara-pomba fifanajana ny minisitry ny Filaminana Anatiny Randimbisoa Blaise Richard teny Anosy ny masoivohan’ny firenena ejiptianina Cherif Youssef Abbas. Maro ny resaka nifanaovan’ny roa tonta ka ansain’ny fantatra tamin’izany ny fairaha-miasa eo amin’ny firenena malagasy sy ejiptianina. Anisan’izany ny resaka fiofanana ho an’ireo polisy mlagasy. Anisan’ny mandray anjara be tokoa ny firenena ejiptianina amin’io lafina iray io. Tys handinin’ireo tompon’andraikitra roa ireo no niresaka ny fieraha-mientana sy ny fiaraha-miasa amin’ny ady amin’ny fampihorohoroana miseho eran-tany amin’izao fotoana izao.

# – Fahatratrarana rongony 106 gony. Araka ny vaovao voaray avy any amin’ny faritry Vakinankaratra, rongony tao anaty gony miis 106 no tra-tehaky ny mpitandro filaminana tany an-toerana. Rehefa nandeha ny fanadihadiana dia voalaza fa avy any amin’ny faritra Atsimo Andrefana ireo rongony be dia be ireo no nalaina ary nokasaina hadimy aty an-drneivohitra. Ankoatra izany, toerana maro teto Antananarivo indrya no nahitana mpifoka sy mpivarotra rongonytao anatin’ny andro roa. Anisan’izany ny teny Anovavaka Ambohimanarina, Andohoranofotsy. Tsy mahagaga araka izany fa mihanaka ny fivarotna ity zava mahadomelina ity.

Nangonin’i r.s.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici