- Publicité -
lundi, juillet 7, 2025
AccueilFaits-DiversVohipeno : Sivy mianadahy mpangalatra lakolosim-piangonana , naiditra am-ponja

Vohipeno : Sivy mianadahy mpangalatra lakolosim-piangonana , naiditra am-ponja

Sivy mianadahy no voasambotry ny mpitandro filaminana tany Manakara, tompon’antoka tamin’ny fangalarana lakolosim-piangonana Ekar Katolika tao Vohipeno. Ny volana febroary lasa teo, raha ny vaovao voaray, dia nisesisesy ny halatra lakolosy tany an-toerana. Nametraka fitarainana ireo fiangonana lasibatra ka raikitra avy hatrany ny fikarohana an’ ireo olon- dratsy; izay nataon’ ny mpitandro filaminana. Noho ny fanomezam-baovao marim-pototra avy tamin’ olona tsara sitrapo dia tra-tehaka tany amin’ ny fokontany Ranomena Distrikan’ i Manakara ireo mpangalatra, mpividy halatra ary ireo mpitady mpividy lakolosim-piangonana  mpiray tsikombakomba tamin’ ireo jiolahy. Afak’omaly no niakatra Fitsarana ny raharaha, ka samy naiditra am-ponja vonjimaika izy sivy mianadahy miandry ny fotoam-pitsarana azy ireo.

Eric Manitrisa

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici