Niverina avy tany an-tsaha ny ramatoa iray manan-janaka vavy iray efa niteraka ary mbola mampinono ny zanany farany. Mamon-toaka anefa itsy ramatoa mbola mampinono itsy ka renoky ny torimaso tao an-tranon-dreniny lasa tany an-tsaha. Ao anatin’izany dia reraky ny tomany ilay zazakely zanany. Ontsa an’ilay zazakely tora’ny tomany ny mpifanolobodirindrina amin’ilay tany an-tsaha ka nitantarany ny zava-nisy. » Te hinono io zazakely io, hoy izy tamin’ny renin’ilay mamo, ka nobatainy ilay zazakely. « Ndao hapetraka eo an-kilandreniny ity zaza kely ity mba ho afa-minono. Nosakanan’drenibeny izany hevitry ny mpifanolo-bodirindrina izany. Vaky teo ny fifanatsoritan’izy roa vavy: ny mpifanolo-bodirindrina mametraka an’ilay zazakely mba hinono amin-dreniny mamo ary ny reniben’ilay zazakely kosa nanakana sady tsy nanaiky mihitsy ny hampinonoana ny zafiny amin-dreniny mamo. Tsy nahatazona ilay reniben’zazakely ka lavo. Nidona tamin’ny sisin’ny latabatra iray vita amin’ny hazo izay tsy lavitra azy ireo teo ny hatok’ilay reniben-zazakely ka maty tsy tra-drano. Asa indray koa izay ho tohin’ity tantara ity?
REMI, Rakotonirina