Maro ny toerana ao amin’ny tanàna ahitana tovolahy 20 taona miakatra mivorivory miala voly ka milalao daomy. Ao anatin’izany dia misy ny misangisangy sy mifananihany ary ny mifampitaim-bava koa aza. Hafa kely ny zava-niseho tao amin’ity tanàna iray ity tamin’iny Alatsinainy ny Paka farany teo. Tsy nahatanty io fomba fanaon’ireo tanora ireo ny tovolahy iray ka tonga dia nohatoniny ilay iray nananihany azy ary notombohiny tamin’ny antsy kely teny an-tanany teo amin’ny kibon’ilay nananihany azy. Tsy voavonjy itsy tovolahy farany itsy ka maty tsy tra-drano: niparitaka teo ny rany. Tsy tantin’ireo tovolahy teo ny nataon’ilay tovolahy namely ka samy namely azy tamin’izay teo an-tanany izy rehetra: antsy, famaky, hazo. Maty tsy tra-drano teo koa ilay nanombok’antsy. Araka ny fanazavan’ny mpahalala tany an-toerana dia mpiavy nanorim-ponenana tsy ela loatra tao an-tanana io tovolahy nanombok’antsy io. Asa izay ho tohiny?
REMI. Rakotonirina