- Publicité -
vendredi, juillet 4, 2025
AccueilFaits-DiversToamasina - Fitsarana ady heloka be vava : Ho foana ny andiany...

Toamasina – Fitsarana ady heloka be vava : Ho foana ny andiany voalohany noho fitokonan’ny mpirakidraharaha

Efa nanomboka ny volana febroary teo no nanomana ireo antontan-taratasin’ady hanaovana ny andiany voalohany amin’ny fitsarana ady heloka be vava ny teo anivon’ny fitsarana ambony ao Toamasina. Efa vonona tamin’izany ihany koa ireo mpirakidraharahan’ny fitsarana ambony ao Toamasina.

Raha ny fandaharam-potoan’ny fitsarana ambony dia ny 9 may izao no kasaina hatao ny andiany voalohany amin’ity fitsarana ady heloka be vava tsotra ity, hoy ny tonia mpampanoa lalana ambony, Atoa Andriamihangy Georges Florence. Araka ny fanazavana anefa dia manodidina ny 100 ny antontan-taratasin’ady tokony hiakatra fitsarana ady heloka be vava ity. Miankina amin’ny fotoam-paharetan’ny fitokonan’ireo mpirakidraharaha izany ny hanaovana ny andiany voalohany amin’ny fitsarana ady heloka be vava tsotra ao Toamasina, ka mikasa ny hanao izany ny volana jona ny fitsarana ambony.

Ankilan’izany, dia nomarihan’ity tonia mpampanoa lalana ambony ity hatrany fa miainga amin’ny tsy misy ny fitsarana ambony amin’izao fanomanany fitsarana ady heloka be vava tsotra izao, satria raha ny tetibola eo am-pelatanany dia tsy mahavita izany akory. Mbola manana trosa amin’ny fitsarana ambony aza ireo mpitsara misahana ny raharaha sy ireo mpanampy miaraka aminy, ireo vadintany misahana ny fiantsoana ireo mpanan-draharaha, ary ireo mpirakidraharaha; nefa samy resy lahatra fa tsy maintsy atao izany ho fiarovana ny zon’ireo mpanan-draharaha, indrindra ireo miandry fitsarana am-ponja.

Ankoatra izay, dia antontan-taratasin’ady niisa 410 no niakatra fitsarana ny taona lasa, ka ny 329 tamin’izany no namoahana didy, raha voatery nahemotra noho ny antony samy hafa ny 81. Ny tao Maroantsetra sy Moramanga no nahavita 100% ny antontan-taratasin’adiny; nahavita ny azy hatramin’ny 90% kosa ny tao Ambatondrazaka sy Vatomandy, raha 60% izany ho an’ny Toamasina I.

Malala Didier

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici