- Publicité -
vendredi, juillet 4, 2025
AccueilFaits-DiversFankalazana ny faha 55 taonan’ny Polisim-pirenena

Fankalazana ny faha 55 taonan’ny Polisim-pirenena

Tafiditra ao anatin’ny fanamarihana ny fankalazana ny faha-55 taonan’ny Polisim-pirenena Malagasy ny hetsika ara-panatanjahantena. Omaly alakamisy, 7 avril 2016 maraina no notanterahina teny amin’ny Kianja mitafon i Mahamasina ny lanonam-panokafana tamin’ny fomba ofisialy ity hetsika ara-panatanjahantena ity. Nisy ny filaharan’ireo polisy handray anjara amin’ny fifaninanana izay avy amin’ireo sampan-draharaha sy ny sampan’asa samihafa eo anivon’ny ministeran’ny Filaminam-bahoaka sy ireo Polisy miasa any amin’ny Andrimpanjakana. Taorian’ny filaharana dia nisy ny kabary nataon’ny filohan’ny Komitin’ny faha-55 taona, ny Contrôleur Général de Police Velotsara Marcel, izay namariparitra ny ho fizotry ny fifaninanana izay natomboka omaly ka tsy hifarana raha tsy amin’ny volana septambra 2016. Taranja baolina kitra, basket ball, kanety be ary arts martiaux no ifaninanana. Nanokatra ny lanonana tamin’ny fomba ofisialy ny minisitry ny Filaminam-bahoaka, ny Inspecteur Général de Police Randimbisoa Blaise Richard, ka nanafatrafatra ny maha-lalaom-pirahalahiana ny lalao rehetra amin’ny fifaninanana ka tokony hisy ny fifanajana sy ny fanarahana ny fitsipika mifehy ny taranja rehetra. Nisy ny solontena avy amin’ireo mpandray anjara nanao fianianana nisolo tena ny rehetra.

Marihana fa tsy ny eto Antananarivo ihany no manao izao hetsika izao fa ny any amin’ny Faritra ihany koa.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici